Antso avo avy amin’ny Fitondrana Tetezamita
Ny dinika famahana ny olana ara-politika tany Addis-Abeba dia niafara tamin’ny fanaovana sonia ny tovan’ny satan’ny Tetezamita. Tsy mendrika ny mpitondra fanjakana rehetra voakasika amin’ny fifanarahana ary tsy azo ekena ny fandikàna vilana sy ny famoronana ny zavatra tsy voarakitra tao.
Nitondra tsirim-panantenana teo amin’ny mpiray tanindrazana ny hifaranan’ny krizy politika tanteraka ny fanaovana sonia iny fifanarahana iny.
Marihina fa tonga tamin’izao dingana fanaovan-tsonia izao ny firenena malagasy noho ny finiavan’ny tsirairay ary ny foto-pisainana politikan’ny fisokafana nananan’ny Filoha Andry Rajoelina izay filohan’ny Tetezamita sady filoham-panjakana araka ny voarakitra ao anatin’io tovana io ihany satria tsy vao anio na tamin’ny andro nanaovana sonia ny fifanarahana ihany no niantso fifanantonana ny filohan’ny Tetezamita fa efa hatriny ela.
Tsikaritra anefa fa ady toerana, fiadiana tombotsoa ary fiadiana voninahitra no nibahan-toerana hatramin’ny fiverenana avy tany Addis Abeba.
Misy endrika fanalam-baraka sy finiavana handetika ny firenena mihitsy aza noho ny ny fisolokiana andraikitra izay tiana hatao ankehitriny.
Miendrika fanakorontanana saim-bahoaka ny fanaovana tsinotsinona ny fitakiana fanovàna; ny fihetsika asehon’ny mpanao politika sasany amin’izao fotoana izao.
Raha eo amin’ny fizarana ny ministera dia tokony hipetraka amin’ny lojikan’ny tanjon’ny Tetezamita ny fangatahana avy amin’ireo firehana samihafa.
Andraikitry ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny maha filohan’ny Tetezamita sy amin’ny maha filoham-panjakana azy ny fitandroana ny hisian’ny fitonian’ny saim-bahoaka arak’izay fanapahan-kevitra rehetra raisina eto amin’ny firenena.
Andraikitry ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny maha filoham-panjakana azy ny manao izay hampandeha ny raharaham-pirenena fa tsy iandrasana ny famahana ny adilahy politika lava izao.
Andraikitry ny filohan’ny Tetezamita ihany koa ny fiarovana ny tombotsoan’ny besinimaro na inona na inona mety ho tombotsoa manokana takian’ny firehana samihafa.
Ny firenena malagasy dia misy filoha mpitantana, tsy azo ekena ary tsipahina ankitsirano ny fanomezana sary sadasada ny firenentsika.
Ny fifanarahana tany Addis-Abeba dia manamafy ny maha filoha mpitarika ny Tetezamita sy filoham-panjakana an ’andriamatoa Andry Rajoelina. Misy araka izany ireo andraikitra sahaniny izay voafaritra ao anaty ny satan’ny Tetezamita ka tsy maintsy tanterahina.
Antso avo no atao ho an’ireo firehana politika mba samy handray andraikitra amin’ny rafitra misy azy avy satria korontana mahamenatra no fijerin’ny vahoaka ny fitondrana ankehitriny vokatry ny teny diso tafahoatra, ny fihetsika mihoatra ny mety ary noho ny fanodikodinana ny saim-bahoaka amin’ny hevi-diso.
Inoana anefa fa vahaolana ho an’ny fananganana ny governemanta iraisana ny faneken’ny mpanao politika na ireo firehana fa:
- Miandrandra ny hisian’ny fifidianana ny besinimaro ka olona manana finiavana ho tonga amin’izany tanjona izany no tadiaviny.
- Mitaky fitoniana ny fiarahamonina mba ahafahan’ny mpianatra mianatra sy ny mpiasa miasa, ka olona afaka mametraka izany fitoniana sy fifampitokisana amin’ny vahoaka izany no ilaina.
- Mitaky olom-panjakana matotra, tia fahamarinana ary olona tsy hanala-baraka an’i Magadasikara eto anatiny sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary mahay mitondra tena ho toy ny olom-panjakana no tokony handray adidy amin’ny fitantanana.
- Efa nahapotika ny firenena Malagasy ny fitiavan-tena, ny fitiavan-tseza, ny fizahozahoana ary ny famafazana lainga.
- Efa nahapotika ny taranaka nifandimby ny fikorontanana ara-politika izay miantraika any amin’ny seham-pampianarana avy hatrany.
- Efa nahapotika ny firenena malagasy ny ampihimamba ara-toe-karena sy ny fitantanana mitanila sy tsy mazava tamin’ny orinasam-panjakana maro .
Noho izany: adidin’ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny maha filoham-panjakana azy ny mitandro toy ny anakandriamaso mba hiarovana ny tombotsoan’ny mpandraharaha rehetra tsy an-kanavaka mandritra ity Tetezamita ity na dia ho fotoana fohy ihany aza izany.
Misy ny rafitra isan-tokony izay tokony hifantohan’ny firehana samihafa ny fanaganana azy toy ny CST, CNR, Congrès, CES…
Koa manainga ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena sy ny firehana politika ary ny fiarahamonim-pirenena sy mpitantana voatondro ny filohan’ny Tetezamita mba handray ny andraikitra tandrify azy avy ary hametraka ny soatoavina ho ambonin’ny zavatra rehetra.
Ambohitsorohitra faha 17 novambra 2009
Ny Fiadidiana ny Tetezamita
FANAMBARANA
***
Eo anatrehan’ny fanambarana tamin’ny haino aman-jery izay nataon’i Andriamatoa
Praiministra Monja Roindefo Zafitsimivalo androany sabotsy 10 oktobra 2009,
Izahay mpikambana ao amin’ny goverinemanta dia manao izao fanambarana
iombonana izao:
Noho ny foto-kevi-dehibe ho fiarovana ny tombotsoa ambony ny firenena sy ny
soatoavina tsy maintsy hajaina amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy ho fanajana ny
fampiharana ny satan’ny Maputo, dia tsy miombon-kevitra mihitsy amin’ny fanambarana
nataony iny, ny Praiministra lefitra, ny Ministra rehetra ary ny Sekreteram-panjakana rehetra
ao anaty ny goverinemanta no sady tsy mandray baiko avy aminy intsony.
Noho izany, dia mangataka amin’ny Filohan’ny Tetezamita ny mambra rehetra ao
amin’ny goverinemanta mba ho amin’ny Filan-kevitry ny Ministra no andraisana ny
fanampahan-kevitra rehetra amin’ny fampandehanan-draharaham-pirenena.
Marihinay fa izahay manao izao fanambaraana izao dia manohy ny asanay
andavanandro mandra-pitsangan’ny governemanta vaovao.
Tenin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita noho ny fahalasanan’i Ramilisaona Besigara
Ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita Andry Rajoelina dia tohina tokoa amin’ny fahalasanan’i Ramilisaona Besigara, reharehan’ny kolontsaina malagasy. 30 taona mahery izao no nanadratany sy nitondrany avo ny harenan’ny kolontsaina malagasy tamin’ny alalan’ny hira sy dihy nentin-drazana izay nireharehany manerana izao tontolo izao ary tsy nampitsanga-menatra azy ny nampitaha izany amin’ny an’ny hafa. Anisan’ny nitaiza sy nanabe ny Malagasy tamin’ny alalan’ny mozika nentim-paharazana i Ramilisaona ary nampita ny talentany mba ho lovan’ny taranaka fara mandimby mba hanana ny mahaizy amin’ny lafiny kolontsaina.
Koa miondrika am-panajana eo anatrehan’ity sangany sy andrarezin’ny vakoka sy ny kolontsaina malagasy ity ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sy ny mpiara-miasa aminy.
Ambohitsorohitra faha 16 septambra 2009
Ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita
FANAMBARANA
----------
Eo anatrehan’ny voina nitranga tany amin’ny Kaominina Ambanivohitr’i Foulpointe, distrikan’i Toamasina, ny tolakandro teo, ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita dia mankahery ireo naratra sy ny fianakavian’ny niaram-boina.
Manoloana iny voina iny dia nisy avy hatrany ny fivorian’ny tomponandraikim-panjakana notarihin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita nandinihana ny fanampiana ireo fianakaviana niaram-boina ireo.
Toy izao ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra io fivoriana io : hidina avy hatrany any an-toerana ireo solontenam-panjakana hijery ifotony ny zava-misy ary hitondra izay voatsirambin’ny tanana ho fanampiana ireo tra-boina ireo mba ahafahan’izy ireo miatrika ny voina nahazo azy.
Vokatra vonjimaika avy amin’ny BNGRC :
- tra-boina : 2800
- fahasimbana : 555 tafo, fiara 6
- naratra : 6 ka ny 2 dia efa nalefa any Toamasina
- Anton’ny haitrano: fianakaviana niala-sasatra nahandro sakafo teo akaikina fiara ka nitarika fahamaizan’ilay fiara
Vola 50 tapitrisa ariary sy fitaovana isan-karazany no natokan'ny fitondran'ny Tetezamita ho an'ireo traboina ka Ramatoa Michèle Ratsivalaka, Mpanolontsaina manokana misahana ny raharaha ara-sosialy no hitsinjara io fanampiana io.
Ambohitsorohitra faha 17 aogositra 2009
Ny Mpitondra tenin’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita |